SOC | Semence certifiée, garantie de la production

Ministre de l'agriculture et de l'élevage

Tenin'ny Minisitra

Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana.

RASATARIMANANA José Nirina​

Miarahaba anao tonga soa eto amin’ny tranonkalan’ny Sampandraharaham-panjakana misahana ny Fanaraha-maso sy Fitsirihana ny masomboly sy ny zana-java-maniry (SOC) ato amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE).

« Masomboly voamarina, antoky ny famokarana ». Izany teny filamatra izany dia maneho ny maha zava-dehibe ny masomboly voamarina eo amin’ny fampiroboroboana ny famokarana ara-pambolena. Ny masomboly dia antoka iray lehibe amin’ny fanatrarana ny fanamby amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE), na eo amin’ny lafin’ny fanavaozana ny rafi-pamokarana na ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara.

Nohon’ ny fahatsapana ny andraikitra lehibe tazonin’ny masomboly eo amin’ny fanatsarana ny vokatra ara-pambolena dia napetraka ho an’ireo mpisehatra rehetra amin’ny masomboly ity tranokala ity mba hanampy amin’ny fahazoana vaovao sy ny tsara ho fantatra mahakasika ny tontolon’ny masomboly voamarina eto Madagasikara, ary koa hampahafantarana ny andraikitra sy ny asa sahanin’ny SOC.

Ny fametrahana ity tranokala  ity dia dingana lehibe amin’ny fampidirana ny tontolon’ny masomboly ao anatin’ny fikirakirana ny teknolojia vaovao, haitao ara-kajy mirindra na ilay atao hoe « digitalisation ». Amin’ny maha rafitra miantoka ny kalitaon’ny masomboly manerana an’i Madagasikara ny SOC, dia mametraka rafi-panjohina ny kalitaon’ny masomboly voamarina izy ireo, izay tena laharam-pahamehana ary tsy azo ihodivirana intsony ankehitriny.

Ny Mpikirakira masomboly tsirairay dia samy hanana ny pejiny ilazana ny momba azy ato anatin’ity tranokala ity. Samy hahazo « QR Code » tsirairay avy avokoa izy ireo. Io « QR Code » io dia hipetaka eo amin’ny PAS na ilay karatra « fahazoan-dàlana hanao asa fihariana eo amin’ny sehatry ny masomboly » sy eo amin’ny etikety fanamarinana naraikitra eo amin’ny fonon’ny masomboly voamarina novokariny. Ny mpampiasa na ny mpividy ny masomboly voamarina avy eo dia afaka manamarina ilay QR Code amin’ny alalan’ny fampiasana « application » tsotra amin’ny findainy, ka amin’izany no ahitany avy hatrany ny pejin’ilay mpamokatra masomboly ato anatin’ity tranonkalan’ny SOC ity.

Resy lahatra aho fa izao fampidirana ny tontolon’ny masomboly ao anatin’ny sehatry ny fampiasana ny teknolojia vaovao izao dia hanome hery vaovao ho an’ny famokarana masomboly voamarina. Izany dia hampiakatra ny vokatra masomboly voamarina, amin’ny habetsany sy amin’ny kalitaony, antoka hampitombo ny vokatra.

Tafididra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny firenena izao finiavana izao, manamafy ny fanovana ny rafi-pambolena malagasy na ny Fampivoarana ny Famokarana amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana moderina, ny hahatonga ny mpisehatra ho matihanina kokoa, ny fametrahana fiaraha-monina anaty fangaraharana ho an’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra izay mitarika mankany amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

RASATARIMANANA José Nirina.
Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana.