Tenin'ny Minisitra

Miarahaba anao tonga soa eto amin’ny tranonkalan’ny Sampandraharaham-panjakana misahana ny Fanaraha-maso sy Fitsirihana ny Masomboly sy ny zana-java-maniry (SOC) ato amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE).

« Masomboly voamarina, antoky ny famokarana ». Izany teny filamatra izany dia manamarina tsara ilay oha-pitenenana Malagasy manao hoe « Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara ». Manambara amintsika izany fa manana ny anjara toerana lehibe ny Masomboly Voamarina eo amin’ny fampiroboroboana ny famokarana ara-pambolena, izay tanjona napetrak’Andriamatoa Filoham-pirenen’i Madagasikara Andry RAJOELINA ao anatin’ny velirano faha-9 manao hoe « fahavitan-tena ara-tsakafo ».

Koa mba hanampiana ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny masomboly amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany tsirairay avy dia napetraka ity tranonkala ity mba hahafahan’izy ireo mahazo ny vaovao sy ny tsara ho fantatra rehetra momba ny tontolon’ny masomboly eto Madagasikara, ary indrindra momba ireo asa ataon’ny SOC.

Ankoatr’izany, ny fametrahana ity tranonkalan’ny SOC ity koa dia dingana voalohany amin’ny fampidirana ny tontolon’ny masomboly ao anatin’ny fikirakirana ny teknolojia vaovao na ilay atao hoe « digitalisation ». Ny SOC moa no miantoka ny kalitaon’ny masomboly voamarina miparitaka erak’i Madagasikara, ka ny fametrahana rafi-panjohina ny kalitaon’ny masomboly voamarina dia tsy azo ialàna intsony amin’izao fotoana izao.

Ny Mpikirakira masomboly tsirairay dia samy hanana ny pejiny ilazana ny mombamomba azy ato anatin’ity tranonkala ity. Samy hahazo « QR Code » tsirairay avy avokoa izy ireo. Io « QR Code » io dia hipetaka eo amin’ny PAS na ilay karatra « Fahazoana manao asa Fihariana eo amin’ny sehatry ny Masomboly » sy eo amin’ny etikety fanamarinana naraikitra eo amin’ny fonon’ny masomboly voamarina novokariny. Ny mpampiasa na ny mpividy ny masomboly voamarina avy eo dia afaka manamarina ilay QR Code amin’ny alalan’ny fampiasana « application » tsotra amin’ny findainy ka amin’izany no ahitany avy hatrany ny pejin’ilay mpamokatra masomboly ato anatin’ity tranonkalan’ny SOC ity.

Resy lahatra aho fa izao fampidirana ny tontolon’ny masomboly ao anatin’ny sehatry ny fampiasana ny teknolojia vaovao izao dia hitondra rivo-baovao ho an’ny famokarana masomboly voamarina eto Madagasikara ary hitondra voka-tsoa amin’ny fampitomboana ny vokatra masomboly voamarina, amin’ny habetsany sy amin’ny kalitaony. Ny fampiasana masomboly voamarina izay singa iray manan-danja amin’ny fampiakarana ny taham-bokatry ny fambolena.

Andriamatoa Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Harifidy RAMILISON