SOC | Semence certifiée, garantie de la production

Paik’ady sy
didy aman-dalàna​
Ny sampandraharaham-panjakana misahana ny fanarahamaso ny masomboly sy ny zana-javamaniry.
2,267
logopartenaire-footer-soc-semences

SNS (Stratégie Nationale Semencière)

Ny SNS na ny Paikadim-pirenena ho an’ny Masomboly dia novolavolaina ho fampiroboroboana ny masomboly eto Madagasikara. Ity Paikadim-pirenena ity dia mirakitra ireo vina sy tanjona maromaro tiana ho tratrarina ho fampivoarana ny masomboly.

Lalàna mikasika ny masomboly

Ny Lalàna laharana 94-038 tamin’ny 03 janoary 1995 mikasika ny ambioka no mifehy ny tontolon’ny masomboly na ambioka eto amin’ny tany sy ny firenena. Maro ireo didim-panjakana izay novolavolaina avy amin’ity lalàna ity, ka anisan’izany ny Didim-panjakana laharana 2010-0958 tamin’ny 30 novambra 2010 mikasika ny fametrahana ny katalaogy nasionaly mirakitra ny sokajimboly sy ny karazamboly eto Madagasikara, ary koa ny Didim-panjakana laharana 2010-1009 tamin’ny 14 desambra 2010 mikasika ny fitsipika mifehy ny famokarana, ny fanaraha-maso sy ny fanamarinana ary ny famarotana ambioka.

Ireo rafitra mpanatanteraka ny politikam-pirenena momba ny ambioka

Ny didim-panjakana laharana 2006-619 tamin’ny 22 aogositra 2006 mikasika ny rafitra mpanatanteraka ny politikam-pirenena momba ny ambioka, dia manambara fa ny SOC dia anisan’ireo.

Katalaogy nasionaly

Ny Didim-panjakana laharana 2010-0958 tamin’ny 30 novambra 2010 mikasika ny fametrahana ny katalaogy nasionaly mirakitra ny sokajimboly sy ny karazamboly eto Madagasikara dia mamaritra ireo dingana arahina amin’ny fankatoavana karazamboly. Ny mpahita karazana, izay amin’ny ankapobeny dia mpikaroka, dia manana anjara andraikitra maromaro ao anatin’izany dingana fankatoavana karazamboly izany.

Fitsipika teknika

Ny Didim-panjakana laharana 2010-1009 tamin’ny 14 desambra 2010 mikasika ny fitsipika mifehy ny famokarana, ny fanaraha-maso sy ny fanamarinana ary ny famarotana ambioka dia mamaritra ireo dingana fanamarinana ambioka. Misy ireo fitsipika teknika fanampiny izay mifanindry an-dàlana amin’ity didim-panjakana ity, ka mamaritra ireo fenitra natao ho an’ny vondrona sokajim-boly tsirairay avy, araka ny fitanisana manaraka eto :