Sarin-tanin’ny Mpikirakira Masomboly
Ny sarin-tanin’ny Mpikirakira masomboly dia mampiseho ireo Mpikirakira nankatoavina eto Madagasikara. Eo amin’ny toerana misy ny foibeny no ahitana ny Mpikirakira tsirairay eo ambonin’ny sarin-tany. Rehefa manindry ny bokotra misy ny foiben-toeran’ny Mpikirakira iray dia mipoitra ny varavarankely manome sombiny amin’ireo mombamomba azy. Ary rehefa tsindriana ny anaran’ny Mpikirakira anatin’io varavarankely io dia misokatra manaraka izay ny “Profil” izay mitanisa ny antsipirihan’ireo masomboly novokariny.
Ao anatin’io varavarankely misy ny mombamomba ny Mpikirakira io dia misoratra ao koa ny anaran’ireo mpamokatra miara-miasa aminy. Misy rohy eo amin’ireo anarana mpamokatra ireo, izay ahafahana mijery ny toerana samihafa namokaran’izy ireo ny masomboly voamarina. Ny vokatra voarakitra eo amin’ity sarin-tany ity dia ireo izay novolena tato anatin’ny telo taona lasa.