Sarin-tanin’ny Karazamboly Vary eto Madagasikara
Ity sarin-tany ity dia maneho ireo karazam-bary novolena eo anivon’ireo faritra misy famokarana masomboly vary eto Madagasikara. Misy ireo karazam-bary famboly eny an-tanimbary, atao hoe Vary an-drano (“Riz irrigué”) ary misy koa ireo karazana natokana ho an’ny voly an-tanety, atao hoe Vary an-tanety
(“Riz pluvial”). Ireo hita ao amin’ny sarin-tany dia izay karazana novokarina ho masomboly voamarina tato anatin’ny telo taona lasa.