Mpitsirika masomboly

Ny lalàna laharana 94-038 tamin’ny 05 janoary 1995 mikasika ny masomboly, izay mametraka ny SOC ho sampandraharaham-panjakana misahana ny fanaraha-maso sy ny fanamarinana masomboly, dia manambara mazava ao amin’ny andininy faha-28 fa ny mpitsirika masomboly ao amin’ny SOC dia manao fianianana. Ireo Mpitsirika masomboly nahavita fianianana ireo irery ihany no mahazo manatanteraka ny asa fanaraha-maso rehetra mandritra ny dingana fanamarinana masomboly.

Nanomboka ny andron’ny 03 jona 2019 dia miisa 105 ireo Mpitsirika masomboly nahavita fianianana izay miparitaka manerana ireo faritra roa amby roapolo (22) eto Madagasikara.

Famaritana

Ireo mpiasam-panjakana izay maniry ho tonga Mpitsirika masomboly, dia voalohany indrindra tsy maintsy teknisiana momba ny fambolena ary manana ny mari-pahaizana sy ny traikefa mifandraika amin’izany. Ambonin’izany dia misy fampiofanana omen’ny SOC azy mikasika manokana ny masomboly. Raha efa izany, dia mandalo fitsapam-pahaizana aloha izy ireo ka izay mahazo valiny mahafa-po no voasafidy ho isan’ireo afaka manao fianianana.

Io fianianana io dia entina anehoana fa manaraka ny lalàna sy fitsipika mifehy ny masomboly ireo Mpitsirika ireo, ary koa anehoana ny fahamatorana sy ny fahatokisana ary ny finiavana ananan’izy ireo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny. Izany dia tanterahina eo anivon’ny Lapan’ny Fitsarana ao Anosy, Antananarivo, na any amin’ny faritra misy ny toerana iasany.

Lisitra ofisialin’ireo Mpitsirika masomboly

Ireo Mpitsirika masomboly voalaza anarana ao anatin’ity lisitra ofisialy ity dia nanao fianianana teo anivon’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy, Antananarivo ny 03 jona 2019. Ireo Mpitsirika ireo irery ihany no afaka mitsirika ny kalitaon’ny masomboly mandritra ireo dingana fanamarinana masomboly.