Mpitsirika masomboly miisa 105 nahavita fianianana

Ny 03 Jona 2019 no nisy Fianianana voalohany nataon’ireo Mpitsirika masomboly ka tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy Antananarivo no nanaovana izany. 105 no isan’ireo Mpitsirika masomboly vita fianianana ireo ary izy ireo dia miparitaka any amin’ny Faritra 22 eto Madagasikara. 4 ka hatramin’ny 6 eo ho eo ny isan’ny Mpitsirika masomboly isaky ny Faritra.

Tany am-piandohana dia 140 no isan’ireo mpiasam-panjakana natolotry ny DRAEP isanisany. Nisy anefa aloha ny fanivanana azy ireo tamin’ny antontan-taratasin’izy ireo satria misy ny mason-tsivana takiana raha te ho Mpitsirika masomboly. Avy eo dia nisy ny fampiofanana anaty efitrano sy ara-pratika ho an’ireo teknisiana voatsonga. Ary taorian’ny fampiofanana dia nisy ny fanadinana mba hahafahana mahazo Mpitsirika masomboly mahafehy tsara ny asany.

Io fianianana io sy ny dingana rehetra nialoha azy dia tsy tanteraka raha tsy teo ny fiaraha-miasa tamin’ireo Tetik’asa sy Fandaharan’asa maromaro tahaka ny PAPRIZ 2, FORMAPROD, DEFIS, PEPBM, PADAP, PROSPERER, CARD.

Hametraka hafatra

Your email address will not be published. Required fields are marked *