Mpikirakira masomboly

Famaritana
Ny lalàna laharana 94-038 tamin’ny 05 janoary 1995 mikasika ny masomboly dia manambara fa ireo izay mahafeno ny fepetra teknika takiana, izay voafaritra ao amin’ireo fitsipika mifehy ny masomboly no afaka ho tonga Mpikirakira masomboly. Ity lalàna ity dia manamafy fa ny fankatoavana ny Mpikirakira masomboly, ilay antsoina hoe fanomezan-dàlana, no ahafahana manao asa fihariana eo amin’ny sehatry ny masomboly eto amin’ny tanin’i Madagasikara.
Zavatra iray tsy maintsy lalovana noho izany ny fahazoan-dàlana ho an’ireo izay maniry hanao asa fihariana eo amin’ny sehatry ny masomboly. Ny Mpikirakira masomboly mahazo fahazoan-dàlana dia mety ho iray amin’ireto :
- Tantsaha mpamokatra masomboly ;
- Fikambanana tantsaha mpamokatra masomboly ;
- Orinasa mpamokatra masomboly ;
- Ivotoerana fampitomboana masomboly ;
- Toeram-pikarohana momba ny masomboly.
Fankatoavana ny Mpikirakira masomboly
Araka ny fanazavana teo aloha, dia misy ireo fepetra teknika voafaritra ao amin’ny fitsipika teknika. Noho izany dia tsy maintsy mahafeno fepetra ny Mpikirakira iray vao afaka misehatra ao amin’ny tontolon’ny masomboly. Ankoatra izay, ny didim-panjakana laharana 2010-1009 ny 14 desambra 2010 mikasika ireo fitsipika mifehy ny famokarana, ny fanaraha-maso sy ny fanamarinana ary ny famarotana ny masomboly dia manambara ao amin’ny andininy faha-enina (6) ny atao hoe karatra maha-matihanina ho an’ireo izay mahafeno ny fepetra teknika rehetra takiana.

Marika hita maso ho fankatoavana ny Mpikirakira masomboly iray ny fahazoana io karatra voalaza eo ambony io. Nomena ny anarana hoe « Fahazoan-dàlana » hanao asa fihariana eo amin’ny sehatry ny masomboly izy ity (Permis d’Activités Semencière na PAS) ka maharitra telo (3) taona ary azo havaozina isaky ny tapitra ny fe-potoana. Araka ny anarany hoe « Fahazoan-dàlana », ny PAS noho izany no ahafahana manao ny asa famokarana sy fivarotana masomboly mandritry ny telo taona. Raha toa ka misy ny fandikàna ireo fitsipika dia azo atao ny misintona io fahazoan-dàlana io.
Ankoatra ny fahazoan-dàlana, ny PAS ihany koa dia ahafahana manavaka ny Mpikirakira masomboly tsirairay avy, amin’ny alalan’ ilay antsoina hoe « QR Code » manaraka ny teknolojia vaovao. Ity « QR Code » ity dia famantarana manokana ho an’ny Mpikirakira masomboly iray, mba hampiavaka azy ao anatin’ireo rehetra nahazo alàlana eo anivon’ny SOC. Izany famantarana izany dia ho hita eo amin’ireo taratasy mitondra ny fanamarinana masomboly, na izany ny sertifikà na ireo etikety apetaka amin’ny fonosana tsirairay.


