Masomboly voamarina mitotaly 2 544,94 taonina no vokatra teto Madagasikara tamin’ny taona 2020

Masomboly voamarina mitotaly 2 544,94 taonina no vokatra teto Madagasikara tamin’ny 2020

 

Nanamarika ny taona 2020 ny fisiana trangan-javatra anankiroa izay nisy fiantraikany be tamin’ny fambolena amin’ny ankapobeny, fa indrindra tamin’ny famokarana masomboly :

 

– Ny tondra-drano nateraky ny rotsak’orana be loatra ny 20 ka hatramin’ny 23 Janoary 2020 izay namely mafy ny famokaram-bary tany amin’ny Faritra vitsivitsy teto Madagasikara, indrindra tany amin’ny Faritra Alaotra Mangoro izay sompitr’ara-bary voalohany eto Madagasikara ;

– Ny valan’aretina COVID-19 izay nampihena be ny fahafahana mivezivezy noho ny fisian’ny fihibohana.

Na dia teo aza anefa ireo trangan-javatra ratsy anankiroa ireo dia niakatra be ny vokatra masomboly voamarina. Raha 1 398,47 taonina no vokatra tamin’ny 2019 dia tafakatra 2 544,94 taonina izany tamin’ny 2020, izany hoe niakatra 82%. Ity tabilao ity no manome ny an-tsipirihany amin’izany :

 

SOKAJIM-BOLY SANTIONANAM-BOKATRA NOTILIANA NAHAFENO FEPETRA TANIMBOLY NOTSIRIHINA KA NEKENA (ha) MASOMBOLY VOAMARINA (T)
MASOMBOLIM-BARY 674 717,59 1 765,71
MASOMBOLY SEREALY ANKOATRA NY VARY 109 580,25 635,72
MASOMBOLY LEGOMINOZY 48 229,09 132,36
MASOMBOLY VOAN’ANANA 102 5,79 11,14
TOTAL 933 1532,72 2544,94

 

Hametraka hafatra

Your email address will not be published. Required fields are marked *