LANONAM-PIHANIANAN’IREO MPITSIRIKA MASOMBOLY SY FAMOAHANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY KATALOGY NATIONALY MIRAKITRA NY SOKAJY SY KARAZANA VOLY NASIANA FANAVAOZANA ARY KOA FAMPITAOVANA IREO MPITSIRIKA MASOMBOLY

Ny Alatsinainy 12 desambra 2022, andro iray lehibe teo amin’ny seha-pihariana masomboly teto Madagasikara. Notanterahina tetsy amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany Anosy ny fihanihanan’ireo mpitsirika masomboly vaovao miisa 8 mianadahy izay narahina ny lanonana ho famoahana amin’ny fomba ofisialy ny katalogy Nationaly mirakitra ny sokajy sy karazan-javamaniry noavaozina ary ny fizarana fitaovana ampiasaina amin’ny asa fitsirihina. Ireo lanonana ireo dia nohatrehan’ny Ministry ny fambolena sy fiompiana izay natao tetsy amin’ny Hotel Cartlon.

Ireo mpitsirika masomboly vaovao nahavita fianianana ireo, dia nanaraka fiofanana an-databatra sy fampiharana an-tsaha, avy ao amin’ny Faritra 3 izay iasan’ny Programan’asa AFAFI SUD : Androy, Anosy ary Atsimo Atsinanana.

Lopy, fitaovana fizahana ny tahan’ny hamandoana, sondy, mozana fandanjana ary fanamiana (ziley sy kasikety) hoentina manao ny asa fitsirihina ny kalitaon’ny masomboly no nomena ireo mpitsirika masomboly ireo nandritra io fotoana io.

Ny  fampiroboroboana ny maha olona ary ny fampitaovana ho an’ny SOC dia hita sy tsapa vokatry ny fanampiana nataon’ny vondrona Eropeana tamin’ny alalan’ny Programan’asa AFAFI-Sud ho fampandrosoana ny ambanivohitra.

Tao aorian’ny kabary nifandimbiasana, nasehon’ny ekipa SOC ny mombamomba ity katalogy nohavaozina ity ary koa ny firoson’ny fanavaozana ny dizitalizasiona ny sehatrin’ny masomboly.

Ny katalaogy dia mirakitra ireo karaza-boly tsara toy ny  karazan-bary  « Mangafototra » izay ahafahana mamokatra masomboly voamarina ka amidy eto amin’ny tanin’ny Malagasy.

Ny fisian’ny masomboly tsara kalitao sy ampy dia singa mahatsara sy mampitombo ny vokatra araka ny voalazan’ny lehiben’SOC.

Hametraka hafatra

Your email address will not be published. Required fields are marked *