Karazam-boly maro no andalam-pankatoavana amin’ity 2021 ity, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo Tetik’asa maro

Ny « dingan’ny Fankatoavana karazam-boly » izay vao napetraky ny SOC vao haingana dia efa manomboka mipetraka tsara amin’izao eo anivon’ireo mpisehatra rehetra. Maromaro noho izany amin’izao fotoana izao ireo fiaraha-miasa amin’ny Tetik’asa isan-karazany mahakasika Fankatoavana karazam-boly :

 

 – Fankatoavana karazam-bary iaraha-miasa amin’ny Tetik’asa FYVARY

Tarana-bary 4 amin’izao no anaovana andrana DHS sy VATE ahafahana mankatoa sy manoratra azy ao amin’ny Katalaogy na CNEV. Eo amin’ny taona faharoa izao ireo andrana DHS sy VATE ireo. Ireto avy no anaran’ireo tarana-bary ireo : MTM 52, MTM 45, MTM 32 et HY 85-2.

Mifanindry an-dàlana amin’ireo andrana eny an-tanimbary ireo dia misy ihany koa ireo fitsapana ny fomba fandrahoana azy sy ny fitsapana ny tsirony hahafahana mandray ny fanapahan-kevitra tsara indrindra amin’ny Fankatoavana na tsia ireo karazam-bary ireo.

Tamin’ny 16 ka hatramin’ny 19 Martsa 2021 àry dia natao io fitsapana ny fomba fahandro sy ny fitsapana ny tsirony io tany Anjiro Moramanga (Faritra Alaotra Mangoro). Ireo tantsaha mpamboly vary ihany no nitsara azy teo ary natrehan’ireo Mpitsirika masomboly avy aty amin’ny SOC. Nasaina nisafidy izay tiany izy ireo ary nanome naoty araka izay fahitany azy.

 

 – Fankatoavana karazam-bary mena iaraha-miasa amin’ny AFRICA Rice sy ny FOFIFA ao amin’ny Faritra Vakinankaratra

Ity fiaraha-miasa ity dia mikendry ny hankatoavana karazam-bary mena miisa 3 izay tsara indrindra sy tian’ireo mpamboly vary eny amin’iny faritra iny indrindra. Efa vita ny taona voalohany amin’ny famantarana eny an-tanimbary ireo karazam-bary 3 ireo, ao anatin’ilay atao hoe andrana DHS sy VATE. Ny andrana fanamarinana sy fanamafisana ny vokatra azo tamin’io taona voalohany io dia efa mandeha amin’izao taona 2021 izao. Ny fitsapana amin’ny fandrahoana sy ny fitsapana ny tsirony dia tsy maintsy mbola hatao ihany koa.

Rehefa vita ny fandravonana sy ny fandinihina ny vokatr’ireo andrana sy fitsapana ireo dia ho raisina ny fanapahan-kevitra hoe hankatoavina sa tsia ireo karazam-bary ireo.

 

– Fankatoavana karazam-bary an-tanety iaraha-miasa amin’ny CIRAD ao amin’ny Faritra Vakinankaratra

Tarana-bary 4 no tokony natao andrana DHS sy VATE hahafahana mankatoa sy manoratra azy ao amin’ny CNEV. Saingy noho ny fisian’ny fikatonan’ny Faritra vokatry ny valan’aretina COVID-19 dia tsy afaka natao ny fijerena ifotony teny an-tanimbary ka ho averina amin’ny taom-pambolena manaraka ireo andrana ireo.

Ireto avy ireo tarana-bary kendrena ho ankatoavina ireo :

– SCRID 381-116-1-4-3-5 sy SCRID 297-14-1-3 any Ivory,

– SCRID 240-100-2-2-5-2-1-2-3 sy SCRID 263-33-3-4-4-4-4 ao Andranomanelatra

 

– Famantarana ny toetoetry ny karazam-bary an-drano iray antsoina hoe « Mangafototra » ao Fianarantsoa, iarahana miasa amin’ny Fandaharan’asa DEFIS

Ny FOFIFA Fianarantsoa, rehefa nahazo tohana avy amin’ny Fandaharan’asa DEFIS, dia nanao ny famantarana ny toetoetry ny karazam-bary an-drano iray antsoina hoe « Mangafototra ». Ankehitriny dia efa vita ny famantarana ireo toetoeny ireo rehefa ambolena « Vary aloha » izy ary ho amafisina ny fizahana izany toetoeny izany amin’ny « Vary Taombe ». Rehefa fantatra tsara ireo toetoeny ireo ary tsapa fa sady miavaka no tsy miova dia handalo ny andrana DHS sy VATE amin’izay io karazambary io amin’ny taona ho avy mba hahafahana mankatoa sy manoratra azy ao amin’ny Katalaogy.

 

– Fankatoavana karazam-boanjo iray atao hoe « Donga », iarahana miasa amin’ny PROJERMO, FOFIFA ary ny DRAEP Amoron’i Mania

Misy karazam-boanjo iray izay antsoin’ny tantsaha hoe « Donga » ao afivoany andrefan’ny Faritra Amoron’i Mania. Tena ankafizin’ny mpamboly izy io ary tia mamboly azy daholo ny faritra mpamboly voanjo ety Afivoan-tany sy ao Afivoany Andrefan’i Madagasikara.

Mba hahafahana manosika ny fambolena azy io dia tsy maintsy ankatovina sy soratana ao amin’ny CNEV aloha io karazam-boanjo io araka ny lalàna momba ny masomboly manan-kery eto Madagasikara. Ankehitriny àry dia efa mandeha ny fitsapana DHS sy VATE ho an’io karazam-boanjo io. Izao asa atao momba ny Fankatoavana azy izao moa dia tohanan’ny PROJERMO ara-bola satria ny voanjo dia isan’ireo lalam-pihariana ataony laharam-pahamehana.

 

– Fametrahana ny drafitra SQD ao amin’ny Faritra Boeny (Fankatoavam-paritra ho an’ny karazamboly iray), iarahana miasa amin’ny Tetik’asa PROSOL

Ny Tetik’asa PROSOL, miasa ao amin’ny Faritra Boeny, dia mikendry amin’ny taona 2023 mba handeha tsara daholo ireo paik’ady napetrany hampihena ny sakana amin’ny fampiasana ireo teknika fikojana ny tany. Ny fanatsarana ny fahafaha-mahazo ireo hanam-pamokarana, indrindra ny masomboly, dia anisan’ireo paik’ady ireo. Ny fametrahana feni-pambolena mifanaraka amin’ny zava-misy eo anivon’ny Faritra ary afaka hampiharin’ireo fikambanana tantsaha mpamokatra masomboly dia dingana iray mba hahafahana mamokatra sy mivarotra masomboly tsara kalitao sady afaka jifain’ireo mpamboly eny an-toerana.

Mba hahafahana manao izany àry dia natsangana ny Komity iray antsoina hoe CRCIV na Komitim-Paritra Fakan-kevitra sy Mpanoratra Karazam-boly tamin’ny volana Febroary 2021. Io Komity io no mametraka ny fenitra ho ampiharina sy miandraikitra ny fanoratana na ny fanalàna karazam-boly iray ao anatin’ny Katalaogim-paritra.

Hametraka hafatra

Your email address will not be published. Required fields are marked *