FITSIDIHANA SY FANARAHA-MASO NY ANDRANA VOLY KARAZAN-KATSAKA MBA KANKATOAVANA AZY IZAY NATAON’NY SOC. AO ANATIN’NY FIARAHA MIASA AMIN’NY SOC SY NY TOZZI GREEN SATROKALA,FARITRA IHOROMBE

Ny 26 ka hatramin’ny 27 aogositra 2024, ao anatin’ny dingana fankatoavana karazam-boly vaovao « katsaka SOMTUX » dia nanatanteraka fitsidihana ireo andrana Distinction, Homogénéité et Stabilité (DHS)   sy Valeur Agronomique, Technologique et Environnementale (VATE), mba ijerena ny toetoetran’ilay karazana ny SOC, izay fiaraha miasa amin’ny JTF Satrokala TOZZI GREEN.

fifanakalozan-kevitra teo amin'ny teknisianin'ny SOC sy tompon'andraikitrin'ny fambolena ao amin'ny Tozzi Green Satrokala.
fifanakalozan-kevitra teo amin’ny teknisianin’ny SOC sy tompon’andraikitrin’ny fambolena ao amin’ny Tozzi Green Satrokala.

Ny tanjon’ny fitsidihana dia hizahana sy hampitahana ny toetoetry ny voly izay tiana hankatoavaina. Nojerena raha mifanaraka amin’ny toetra efa voafaritra izay voalazan’ny mpangataka (Tozzi Green) ny toetra hita eny antsaha.  Ny fitisidihana dia izahana ihany koa raha manaraka amin’ny fepepetra fitondrana ny andrany voly izay natao. Izany dia antoka anehoana fa dingana ara-tsiantifika ny andrana atao hahazoana ny fankatovana ny karazana. Nampitahana taminy katsaka IRAT 200, izay fantatra fa efa tena mety amin’ny toe-tany misy eto Madagasikara, ilay katsaka SOMTUX nandritra ny andrana.

 

Faharetan’ny fitsidihana :

Nozahan’ireo teknisianin’ny SOC akaiky tamin’ny alalan’ny fandrefesana sy fijerena ny toetran’ilay karazana araka izay voasoratra ao anaty fisy mirakitra ny mombamomba azy ilay karazana. Ny lisitrin’ny toetra nampiasaina dia mifanaraka ny zavatra takian’ny UPOV (Vondrona iraisam-pirenena hiarovana ireo mpahita zava-maniry). Nandritra ny fanaraha-maso dia noezahana fantarina ny toetra tena mampiavaka ilay karazana izay tiana hampidiriana anaty katalogy.

Nandritra io fitsidihana io, izay mifanojo indrindra amin’ny fotoana fahamatoizana, dia nojerena avokoa ireo toetran’ilay karazana. Nirona bebe kokoa amin’ny fizahana ny babon-katsaka ary ny voa ny asa natao ary araka izay fepetra ao anaty lisitrin’ny toetra.

Fanisana ny isan'ny laharan'ny voa eo babokatsaka
Fanisana ny isan’ny laharan’ny voa eo babonkatsaka.

Dingana manaraka

Tsara hamafisina fa ity andrana DHS sy VATE voalohany ity dia natao tao anaty tetiandro voly avotra (contre saison). Mba hijerena ny tsy fiovaovan’ny toetran’ny karazana (Stabilité) dia tsy maintsy volena in-droa fara-fahakeliny ilay karazana. Ny fambolena azy fanindroany dia tsara raha atao mandritra ny taom-pambolena lehibe 2024- 2025. Ato izany mba ijerena ny tsy fiovaovan’ny toetran’ilay karazana, izahana ihany koa ny toetra tena mampiavaka azy ary hijerana ny tombony ananany mohoatra ilay  karazana atao fampitahana.

fanamariana ny toe-toetran'ilay karazan-katsaka eny antsaha
Fanamarinana ny toe-toetran’ilay karazan-katsaka eny antsaha.