FITSIDIHANA NY FAMOKARANA SY NY FANAZARANA NY ZANAKAZO AZO AVY AMIN’NY FAMOKARANA AVY AMIN’NY TAMBATRIN’NY SELA ATAO ANATY LABORATOARA TAO AMINY TOERAM-PAMOKARANA ROBENS

Ny 20 septambra 2023, ny Ekipa Teknika ny SOC teto Nanisana dia nanao fitsidihana ny Orinasa Robens tao Ambohimarina Antananarivo Avarandrano, izay tarihin’ny Filoha Tale Jeneraliny Andriamatoa Zaka RAKOTONINDRAINY. Hatreto dia io Orinasa io ihany aloha no manao ny famokarana sy ny fanazarana ny zanakazo azo avy amin’ny famokarana ny tambatrin’ny sela atao anaty Laboratoara. Ny fametrahana ny Fitsipika Teknika Fanampiny sy ny fametrahana ny rafitra amin’ny fitsirihina ny zana-java-maniry na zanakazo azo avy amin’ity fomba ity no vokatra andrasana ao aorian’ny fitsidihana.

Eto ampanombohana aloha dia ny famokarana zanakazo azo avy amin’ny tambatrin’ny sela dia ahafahana mampitombo, manavao ny zavamaniry iray manana tombondahiny ka ahazoana zavamaniry mitovy tarazo aminy amin’ny zavamaniry niaingaina ary amin’ny isa maro.

Ny dingana arahina amin’izany dia ny fanadiovana ireo fitaovana ampiasaina toy ny bokaly fanaovana ny fampitsiriana, ny etiva, ny efitranao, sns…. Tsy maintsy ilaina amin’ny famokarana miainga avy amin’ny tambatrin’ny sela izany. Mikasika ny teknika dia toy izao, ny taharo anaovana ny fampitsiriana dia miovaova araka ny sokajijm-boly fa kosa tsy maintsy misy ireo singa madinika sy vaventy mineraly, ny akora organika toy ny vitamina sy ny siramamy. Ny fampiasana matetika ao amin’ny laboratora dia miainga amin’ny tsiry eo amin’ny sampany na eny amin’ny tendrony na ireo taova hafa toy ny raviny na ny tahony. Ny faharetany ny fitsirihana dia eo amin’ny 2 herinandro ka hatramin’ny 4 volana araka ny sokajim-boly ao amin’ny toerana izay voafehy ny hafanana ao aminy : 22° à 25°C sy ny faharetan’ny hazavana, amin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 8 ora maraina.

Amin’ny kafe raha atao ohatra, dia ny famokarana amin’ny alalan’ny ravina no atao ka ahazoana zanany kely eo aorin’ny 3 na 4 volana ny fampitsiriana. Avy eo, dia ireo zanany kely ireo indray no safidiana izay manana faka matanjaka no volena amin’ny toerana hafa misy ireo akora ka ahazoana zanakafe ao aorian’ny 6 volana ka hatramin’ny iray taona sy tapany.

Eo amin’izy taon’ny maha zanakazo azy ireo zana-java-maniry dia ampetraka amin’ny toerana atao hoe sera fanazarana mandritra ny 5 volana ka hatramin’ny iray taona sy tapany eo ho eo araka ny sokajy misy ny voly. Ny mikasika io sera io dia miova araka ny filan’ny zava-maniry sy ny toetra misy azy. Ny teknika famokarana ao amin’ny laboratoara dia natao indrindra ho an’ny famokarana voninkazo toy ny orchidées sy ny anthurium, ny voly fakan’ny tantely mamy toy ny paulonia, ary ihany koa ny voly fampidiram-bola na fanodina toy ny kafe, ny fary, ny akondro, ny bamboa, …

Ho an’ny SOC, ny fitsirihana ny fisian’ny aretina sy ny fitoviana amin’ny endrika ivelany ny zanakazo amin’ny alalan’ny maha iray volo na tsia ao anaty sera fanazarana no tena ilaina amin’ny fitsirihana. Io farany io dia antoka amin’ny fanamarinana amin’ny fomba ofisialy ireto karaza-java-maniry azo avy amin’ny fampitomboana ny tambatrin’ny sela.

Hametraka hafatra

Your email address will not be published. Required fields are marked *