Fampiofanana
Ao anatin’ny fampiroboroboana ny fambolena, ny SOC, izay manao ny asa fanamarinana masomboly dia mampiofana ireo mpandray anjara ao anatin’ny sehatry ny masomboly. Tsy iza izany fa ireo Mpikirakira masomboly (tantsaha, orinasa, sns.) ary ireo Mpitsirika masomboly.
Ho an’ireto farany, ny fiofanana dia ahafahan’izy ireo manamafy ny fahaiza-manaony. Izany koa no ahafahana mamaha ireo olana tsapa toy ny tsy fifehazana na koa ny tsy fahalalana ny dingana famokarana masomboly voamarina ary koa ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny masomboly.
FAMPIOFANANA MPIKIRAKIRA MASOMBOLY
Ny fanarahana ny fiofanana natokana hoan’ny Mpikirakira masomboly dia mamaritra ny Fankatoavana azy.
Ny teknika fampandraisana anjara ny mpiofana dia ampiharina mba ahafahana manome lanja ny traikefan’ny mpandray anjara sy miteraka hetsika eo amin’ireo vondrona ao anatin’ny fiofanana. Ny Fitsipika teknika sy ny Fenitra mantsy dia mora azo kokoa rehefa ampiarahina amin’ny fanorahana sy fanehoana sarin-javatra maro samihafa.
FAMPIOFANANA MPITSIRIKA MASOMBOLY
Ho an’ireo Mpitsirika vaovao, ny fiofanana miompana amin’ny endrika teorika sy fampiharana dia tafiditra ao anatin’ny dingana fianianan’ny Mpitsirika. Ireo lahatsoratra mirakitra ny Fitsipika teknika dia zaraina ho an’ny mpiofana ao aorinan’ny fiofanana, mba ho fitaovana entina mitadidy na antontan-kevitra lasitra. Ny fijerena matetika ireo antontan-kevitra ireo dia manampy ny Mpitsirika amin’ny fanantanterahany ny asany sy fanatsarana ny vokatra.
Ho an’ireo Mpitsirika nahavita fianianana kosa, ny fampiofanana dia miompana betsaka amin’ny fifampizarana traik’efa mba ho entina hanatsarana ny fahaiza-manaony, ary hahatonga azy ireo ho matihanina bebe kokoa hatrany rehefa avy miverina miofana. Izany no atao mba hampiroborobo ny famokarana masomboly voamarina eny anivon’ny Faritra misy ireo Mpitsirika ireo.



