Fankatoavana ny karazamboly

Antom-pisiany

Araka ny didy hitsivolana laharana faha 2010-1009 tamin’ny 14 desambra 2010 mikasika ny famokarana, fitsirihana, fanamarinana ary ny fivarotana masomboly, ao amin’ny andininy faha-11 dia voalaza fa mba hahafahana mivarotra masomboly amina karazana vaovao eto amin’ny firenena dia tsy maintsy vita fankatoavana aloha ilay karazana ary misoratra ao anaty Katalaogy Nasionaly firaketana ny Sokajim-boly sy ny Karazana na « CNEV ». Rehefa vita fankatoavana ilay karazana izay vao afaka anaovana fanamarinana izay masomboly vokarina avy aminy.

Tombony

Ny firaketana ny karazana ao anaty Katalaogy dia ahafahana manome antoka ny mpampiasa masomboly fa ny karazana nosafidiany dia:

– fantatra mazava ny toetoetrany ary miavaka amin’ireo karazana hafa efa voarakitra anaty Katalaogy

– tsara kokoa noho ny karazana efa nisy, raha ny lafiny taham-bokatra, fanoherana bibikely sy aretina, tsiro, sns no jerena.

Alohan’ny hampidirana ny karazana ao anaty katalaogy dia tsy maintsy mandalo andrana roa : ny « DHS » (« Distinction », « Homogénéité », « Stabilité » ) sy ny « VATE » (« Valeur Agronomique », « «Technologique » et « Environnementale »).

Ny andrana « DHS » dia ahafahana :

  • mijery ny maha iray volo ny karazana hankatoavina ary miantoka fa mifanaraka amin’ny filan’ny mpanjifa izany
  • mametraka ny mombamomba ilay karazana
  • manavaka ilay karazana amin’ireo efa misy
  • manamarina ny tsy fiovan’ireo toetra mampiavaka ilay karazana, na dia volena miverimberina aza.

RAMANANDRAIVONONA Jeannick A.
Tompon’andraikitry ny Fankatoavana sy ny Fampiofanana

Karazana iray = Toetra anaty manokana = Fantatra mazava ary tsy miova ny mombamomba azy

Ny andrana « VATE » kosa dia ahafahana milaza amin’ny mpampiasa masomboly ny toetra mahatsara sy mampiavaka an’ilay karazana ho ankatoavina. Ohatra amin’izany ny faharetan’ny fotoam-paniriany, ny taham-bokatra, ny fahatoherany bibikely sy aretina. Amin’izany dia volena amin’ny toerana samihafa ilay karazana mba hitsarana azy. Koa mba ho azo ampidirina anatin’ny katalaogy ny karazana vaovao dia mila manana toetra tsaratsara kokoa noho ireo karazana efa misy.

Aorian’ireo andrana roa ireo, ny fitiliana rehetra natao dia ahafahana milaza fa:

  • ilay karazana dia manana toetra mampiavaka azy manokana izay tsy mampifangaro azy amin’ireo karazana efa misy
  • ilay karazana dia voka-pikarohana ara-pambolena tena tsara ary mamaly ny filàna
  • ny masomboly avy amin’ilay karazana dia maniry soa aman-tsara
  • ny zava-maniry azo avy amin’ilay karazana dia mahatohitra aretina na bibikely
  • ilay karazana vaovao dia mampitombo ny vola miditra ao amin’ny mpampiasa masomboly noho izy ambony taham-bokatra sy ny fananany toetra manokana itiavan’ny mpampiasa azy toy ny tsirony, ny toetoetry ny voa sns.

Fankatoavana ny karazana

01.

Dingan’ny fankatoavana ny karazana

Ireto avy ny dingana arahina amin’ny fankatoavana ny karazana :

Fangatahana hampiditra ny karazana vaovao

Ny olona na sampan-draharaha rehetra manana karazana hampidirina anaty katalaogy dia tsy maintsy manao fangatahana any amin’ny SOC. Misy taratasy fenoina mifanaraka amin’izany ka ampiarahina amin’io ny mombamomba ilay karazana sy ny santionana masomboly.

Fandraisana sy firaketana ilay fangatahana

Rehefa voaray ilay fangatahana dia hamarinin’ny SOC raha feno daholo ireo antontan-taratasy sy ny zavatra ilaina rehetra. Raketina an-tsoratra izany ary omena laharana ilay fangatahana. Mandefa tatitra naharaisana ao anatin’ny 100 andro farafahabetsany aorian’ny nahatongavan’ilay fangatahana avy eo ny SOC:

  • raha tomombana ara-dalàna ilay fangatahana dia omena daty nametrahana (“date de dépôt”)
  • raha sanatria kosa ka tsy feno izany dia mandefa taratasy fangatahana fanazavana fanampiny any amin’ilay mpangataka ny SOC. Ary omen’ilay mpangataka ao anatin’ny fotoana mahamety azy izany.

Fanatanterahana ny andrana « DHS » sy « VATE »araky ny fepetra fototra apetraky ny « Union Internationale pour la Protection des Obtentions Végétales » (UPOV)

Eo am-panaovana ireo andrana roa ireo, dia mitsara sy mamoaka ny fahitany ny zava-misy ny SOC. Manao ny tatitra ara-teknika izy ao anatin’ny 100 andro farafahabetsany:

  • raha mahafa-po ny valin’ny andrana dia manome alàlana ny SOC amin’ny fampidirana azy anaty katalaogy
  • raha sanatria kosa ka tsy mahafa-po ny valin’ny andrana dia manao tatitra fandàvana ny SOC
02.

Kisarin’ny fampidirana karazana anaty Katalaogy

Schématiquement, les étapes de l’inscription des variétés au CNEV se résument comme suit :