



TONGASOA ETO AMIN'NY
TRANOKALAN'NY SOC
“Masomboly voamarina, antoky ny famokarana”
Toetra agronomika voaporofo
Fanajana ny fenitra
Fahafaham-po ho an'ny mpampiasa
Asa sahanin’ny SOC
Araka ny lalàna laharana 94-038 tamin’ny 05 janoary 1995 mikasika ny masomboly, ny SOC na Sampandraharaham-panjakana misahana ny Fanaraha-maso sy Fitsirihana ny Masomboly sy ny Zana-javamaniry, izay rafitra iray napetraka eo anivon’ny Minisitera misahana ny Fambolena, no miandraikitra ny fanaraha-maso ny hatsaran’ny masomboly sy ny fanamarinana azy eto amin’ny tany sy ny firenena Malagasy. Voafaritra mazava noho izany ny anjara asa sahanin’ny SOC, tsy inona izany fa ny fanamarinana masomboly ary koa ny fankatoavana ireo karazamboly. Ny karazamboly nankatoavina ihany mantsy no azo hampitomboina ho masomboly voamarina.
Fankatoavana karazamboly
Misy dingana maromaro lalovana ao anatin’izany fankatoavana karazamboly izany, izay mampandalo sedra antsoina hoe DHS (Distinction, Homogénéité, Stabilité) sy VATE (Valeurs Agronomiques, Technologiques et Environnementales) ilay karazana. Raha toa ka mahafa-po ny valin’ireo fisedrana ireo dia azo atao ny firaketana ny karazana ao anatin’ny Katalaogy Nasionaly mirakitra ny Sokajimboly sy Karazamboly eto Madagasikara (CNEV).
Fanamarinana masomboly
Rehefa voarakitra anaty katalaogy ny karazamboly iray dia azo atao ny fampitomboana masomboly avy aminy, manaraka ny rafitra mifehy ny fanamarinana masomboly. Misy dingana arahina ihany koa ao anatin’izany fanamarinana izany, ka ireo mpikirakira masomboly nahazo alàlana no hany afaka misehatra ao aminy.
Fampiofanana
Ao anatin’ izay fanomezan-dàlana ny Mpikirakira masomboly izay, ny SOC dia mampiofana ireo mpisehatra maniry hahazo fahazoan-dàlana mikirakira masomboly. Izany no atao dia ny mba hampahafantarana ny lalàna sy ireo fitsipika mifehy ny masomboly.
Ho fanatanterahana ny fanaraha-maso ny hatsaran’ny masomboly manerana ny nosy, ny SOC dia manana ireo “Mpitsirika masomboly” izay manenika ireo faritra roa amby roampolo (22) eto Madagasikara ka ampiofanina araka ny filàna misy izy ireo.
Tenin'ny Minisitra
Miarahaba anao tonga soa eto amin’ny tranonkalan’ny Sampandraharaham-panjakana misahana ny Fanaraha-maso sy Fitsirihana ny Masomboly sy ny zana-java-maniry (SOC) ato amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE).
« Masomboly voamarina, antoky ny famokarana ». Izany teny filamatra izany dia manamarina tsara ilay oha-pitenenana Malagasy manao hoe « Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no …
Fankatoavana ny Mpikirakira masomboly
Ny fankatoavana ny Mpikirakira masomboly dia manome alàlana ity farany mba hanao asa fihariana eo amin’ny sehatry ny masomboly, izany hoe famokarana sy/na fivarotana masomboly. Izany fankatoavana izany dia marihana amin’ny fahazoana ilay karatra miendrika pasipaoro antsoina hoe Fahazoan-dàlana manao asa fihariana eo amin’ny sehatry ny masomboly na koa ilay hoe PAS. Mazava ho azy fa mirakitra ny mombamomba ny Mpikirakira masomboly ny PAS, fa izy ity koa dia ahafahana manara-maso ireo asa fihariana ataon’ny Mpikirakira iray.

