Fanamarinana masomboly
Ny fanamarinana masomboly (ambioka) dia voafehin’ny lalàna laharana 94-038 tamin’ny 05 janoary 1995 mikasika ny masomboly, sy ny Didim-panjakana laharana 2010-1009 tamin’ny 14 desambra 2010 mikasika ny famokarana, ny fanaraha-maso sy ny fanamarinana ary ny famarotana masomboly. Ireo Lalàna sy Didim-panjakana ireo dia mitondra fanazavana maro samihafa, ka anisan’izany ny famaritana ny atao hoe masomboly sy ny zana-javamaniry, ny famaritana ny atao hoe sokajina masomboly, ny fankatoavana ireo Mpikirakira ary ny famaritana ireo dingana arahina amin’ny fanamarinana.
Antom-pisiany
Manambara mazava ireo lalàna sy didim-panjakana voalaza etsy ambony fa izay masomboly rehetra vokarina eto amin’ny tanin’i Madagasikara ka ho amidy eo amin’ny tsena dia tsy maintsy voamarina manaraka ireo fepetra voafaritra ao anatin’ireo didy aman-dalàna ireo. Raha tsorina dia ireo masomboly voamarina araka ny lalàna sy ny fitsipika ihany no azo varotana eo amin’ny tsena manerana ny nosy. Raha ny voalazan’ny lalàna hatrany, dia andraikitry ny SOC ny manara-maso ny kalitao sy ny manamarina ny masomboly vokarina eto amin’ny firenena.
Ankoatra izay, mahazo manao famokarana masomboly sy mivarotra ny vokatra ireo Mpikirakira raha toa ka nahazo alàlana ho amin’izany, izay ilay hoe fankatoavana na fanomezan-dàlana ny Mpikirakira masomboly.
Marihana etoana fa ny fanamarinana masomboly dia mihatra amin’ireto sokajina masomboly manaraka ireto : ambioka fototra sokajy voalohany, ambioka fototra sokajy faharoa, ambioka voamarina, izay taranaka azo avy amin’ireo fampitomboana ambioka voafaritra ao amin’ny lalàna.

ANDRIAMARO Rindra
Tompon’andraikitry ny Fitsirihana sy ny Fitiliana ao amin’ny laboratoara
Tombony
Efa voalaza ao anaty lalàna ihany ny tanjona tiana hahatongavana amin’ny fisian’ny fanamarinana ambioka. Tsy inona izany fa ny hananana antoka fa tsara ireo ambioka miparitaka eo amin’ny tsena eto amin’ny tanin’i Madagasikara. Izany kalitao izany dia natao mihitsy izay handrefesana azy ka misy ny Fitsipika teknika manokana izay mifanindry an-dàlana tanteraka amin’ny Didim-panjakana laharana 2010-1009 tamin’ny 14 desambra 2010. Voafaritra ao amin’ireo fitsipika ireo ny fenitra tokony ho tratrarina ho an’ireo vokatra masomboly izay manaraka ny dingana fanamarinana. Hatreto dia miisa sivy (9) ireo fitsipika teknika manokana satria navondrona ho sivy ireo sokajimboly, ary samy manana ny fenitra ho azy manokana ny vondrona sokajimboly tsirairay.
Ny SOC no manara-maso ny fanajana ireo fitsipika voalaza rehetra ireo. Manomboka any amin’ny renin’ambioka, ny fambolena sy ny fikarakarana rehetra, ny fiotazana sy ny fitahirizana ny vokatra, ary hatrany amin’ny famarotana azy dia zon’ny SOC tanteraka ny miditra an-tsehatra amin’ny fanaraha-maso. Izany no natao dia ny mba hanefena ilay kalitao tiana ho azo ary indrindra koa mba hihazonana izany kalitao izany mandra-pahatongan’ny fotoana hampiasana ilay ambioka tsara kalitao novokarina teo.
Ao anatin’ny dingana fanamarinana dia misy ny atao hoe fakàna santionany isaky ny antontam-bokatra. Ny Mpitsirika masomboly no maka izany mba ho atao fitiliana eo anivon’ny laboratoaran’ny SOC. Fehezin’ny fitsipika iraisam-pirenena “ISTA” ny fakàna santionany sy ny fanaovana fitiliana ao amin’ny laboratoara. Ny valin’ny fitiliana mivoaka eo no manamarina fa manaraka ny fenitra tokoa ilay kalitao tao anatin’ny dingana rehetra nolalovana, na koa mitsipaka ny hatsaran’ny ambioka ka voatery lavina izany. Ho an’ilay voalohany dia izay ilay antontam-bokatra antsoina hoe “ambioka voamarina” , fa ho an’ilay faharoa kosa dia atao hoe “antontam-bokatra lavina”.
Dingana fanamarinana ambioka
Ny fanamarinana ambioka dia misy dingana maromaro ka ireto avy izany :
Fankatoavana ny Mpikirakira masomboly
Mila mahafeno fepetra teknika ny Mpikirakira masomboly vao tafiditra amin’ny dingana famokarana.
Ireo Mpikirakira nahazo fankatoavana na fahazoan-dàlana irery ihany no mahazo manao ny famokarana sy famarotana ambioka eto amin’ny tanin’i Madagasikara.

Renin’ambioka
Raha toa ka misy ny famokarana izay tsy ananana antoka ny fiavian’ny ambioka reniny dia lavina ny fitohizan’ny dingana manaraka

Fanambarana fambolena
Fenoina tsara avokoa izay takiana ao anatin’ilay fisy fanambarana.

Fitsirihana eny an-tsaha
Ny Mpitsirika masomboly no manatanteraka ny fitsirihana eny an-tsaha.
Mànana zo ny SOC hanambara fanekena na fandavana ny vokatra eo amin’ny saha iray araka ny fanajana na tsia ireo fenitra voafaritra ao amin’ny fitsipika teknika, sy ireo toromarika voalaza nandritry ny fitsirihana.

Fakàna santionany
Manana zo ny SOC hanambara fanekena na fandavana ny antontam-bokatra voatahiry anaty magazay araka ny fanajana na tsia ireo fenitra voafaritra ao amin’ny fitsipika teknika.

Fitiliana ao amin’ny laboratoara
Manana zo ny SOC hanambara fanekena na fandavana ny antontam-bokatr’ireo santionany vita fitiliana araka ny fahatrarana na tsia ny fenitra takiana ao amin’ny fitsipika teknika.

Famoahana sertifika sy etikety
Misy etikety fanamarinana ofisialy ho an’ny ambioka voamarina ary apetaka amin’ny fonosana tsirairay izany.
