Ny SOC

Teny vitsivitsy momba ny SOC

Ny sampandraharaham-panjakana misahana ny fanaraha-mason’ireo masomboly sy ny zana-javamaniry, izay afohezina amin’ny teny hoe SOC, dia sampandraharaha iray mifandraika amin’ny Fitaleavana Jeneralin’ny Fambolena eo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

RAKOTONDRANAIVO T. Lovaniaina
Lehiben’ny SOC

Ny anjara asan’ny SOC dia manara-maso sy manamarina ny masomboly vokarina sy varotana eto amin’ny tanin’I Madagasikara, araka ireo Fitsipika sy Fenitra nofaritana ho amin’izany. Izy ihany koa no mitahiry sy mitantana ny Katalaogin’ireo karazamboly. Izany hoe, ny SOC no mitantana ny tontolon’ny masomboly manomboka any amin’ny fankatoavana ny karazamboly ka hatrany amin’ny famokarana sy fivarotana ambioka.

Ny fankatoavana karazamboly dia fizahàna entina ahazoana antoka momba ny maha-izy azy ny karazana iray. Ao anatin’izany ny fiavian’ilay karazana, ny fomba fampitomboana azy, ny toetoetrany, ny fahafahany mamokatra. Ankoatra izay, ny fanamarinana masomboly dia dingana maromaro hanaraha-maso ny kalitaon’ny masomboly vokarina sy varotana. Ao anatin’izany ny fijerena ny fiavian’ny renin’ambioka, ny voly teo aloha, ny fikarakarana ny fambolena, ny hadio ara-karazana, ny hadio ara-tsokajy sy ny taham-pitsiriana.

Ny SOC noho izany no mampizotra tsara ny asa fihariana eo amin’ny sehatry ny masomboly, ka mampihatra ireo Fitsipika voafaritra mazava izy ao anatin’izany. Ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny tontolon’ny masomboly dia voafehin’ireo Fitsipika ireo. Izany no ahafahana mampisy fifandraisana mirindra eo anivon’ireo samy mpisehatra, ary koa mahazo antoka ny amin’ny karazamboly sy ny kalitao teknolojika ananan’ny masomboly varotana eo amin’ny tsena.

0 +
Etablissements
0
Districts
0
Especes
0 +
Variétés
Antsoy ny
+261 34 05 610 67
Na mandefasa hafatra ao amin'ny pejy fifandraisana