Tamin’ny taona 2019 dia 1 001,08 taonina ny vokatra masombolim-bary voamarina ka ny 869,48 taonina dia vary an-drano ary ny 131,6 taonina dia vary an-tanety.
Tamin’ny 2020 kosa nefa dia niakatra be io vokatra masombolim-bary voamarina io ka nahatratra 1 765,71 taonina, izany hoe efa saika ho avo roa heny ny fiakarana. Ity tabilao ity no manome ny an-tsipirian’izany :
SOKAJIM-BOLY | SANTIONANAM-BOKATRA NOTILIANA NAHAFENO FEPETRA | TANIMBOLY NOTSIRIHINA KA NEKENA (ha) | MASOMBOLY VOAMARINA (T) |
Masombolim-bary Fototra voalohany sy faharoa | 57 | 17,44 | 23,11 |
Masombolim-bary voamarina | 617 | 700,15 | 1742,60 |
TOTALY | 674 | 717,59 | 1 765,71 |