Famariparitana ny Katalaogy

Araka ny didy hitsivolana laharana 2010-0958 tamin’ny 30 novambra 2010 dia napetraka ny Katalaogy Nasionaly firaketana ny Sokajim-boly sy ny Karazana na « CNEV ». Io katalaogy io dia mirakitra ny lisitr’ireo karazana voly azo amokarana masomboly voamarina sy amidy eto amin’ny firenentsika. Natao koa izy hiraketana ireo karazana nahavitana andrana “DHS” sy “VATE” nahafa-po.
Ny katalaogy dia fitaovana iray ampiasain’ny mpampiasa masomboly, mamaly ny filàn’izy ireo, ary miantoka fa masomboly tsara sy salama no ampiasainy.
Ny fanavaozana farany ny “CNEV” dia ny taona 2017 ary ahitana ireto karazana ireto:
Sokajim-boly | Isan’ny karazana voarakitra |
Vary (Oryzae sativa) | 38 |
Katsaka (Zea mays L.) | 4 |
Varim-bazaha (Triticum aesvitum) | 3 |
Tritikaly (Triticum secale) | 1 |
Mangahazo (Manihot esculenta CRANTZ.) | 4 |
Ovy (Solanum tuberosom L.) | 4 |
Vomanga (Ipomea batatas) | 4 |
Tsaramaso (Phaseolus vulgaris) | 4 |
Vilona | 4 |
Total | 66 |