Vaovaon’ny SOC

FITSIDIHANA SY FANARAHA-MASO NY ANDRANA VOLY KARAZAN-KATSAKA MBA KANKATOAVANA AZY IZAY NATAON’NY SOC. AO ANATIN’NY FIARAHA MIASA AMIN’NY SOC SY NY TOZZI GREEN SATROKALA,FARITRA IHOROMBE

Ny 26 ka hatramin’ny 27 aogositra 2024, ao anatin’ny dingana fankatoavana karazam-boly vaovao « katsaka SOMTUX » dia nanatanteraka fitsidihana ireo andrana Distinction, Homogénéité et Stabilité (DHS)   sy Valeur Agronomique, Technologique et Environnementale (VATE), mba ijerena ny toetoetran’ilay karazana ny SOC, izay fiaraha miasa amin’ny JTF Satrokala TOZZI GREEN. Ny tanjon’ny fitsidihana dia hizahana sy hampitahana ny …

FITSIDIHANA SY FANARAHA-MASO NY ANDRANA VOLY KARAZAN-KATSAKA MBA KANKATOAVANA AZY IZAY NATAON’NY SOC. AO ANATIN’NY FIARAHA MIASA AMIN’NY SOC SY NY TOZZI GREEN SATROKALA,FARITRA IHOROMBE Tohiny »

Mpitsirika masomboly miisa 105 nahavita fianianana

Ny 03 Jona 2019 no nisy Fianianana voalohany nataon’ireo Mpitsirika masomboly ka tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy Antananarivo no nanaovana izany. 105 no isan’ireo Mpitsirika masomboly vita fianianana ireo ary izy ireo dia miparitaka any amin’ny Faritra 22 eto Madagasikara. 4 ka hatramin’ny 6 eo ho eo ny isan’ny Mpitsirika masomboly isaky ny Faritra.

Masomboly voamarina mitotaly 2 544,94 taonina no vokatra teto Madagasikara tamin’ny taona 2020

Na dia teo aza ny fisian’ireo loza voajanahary sy olana maro samihafa nitranga nandritra ny taona 2020 (tondra-drano tamin’ny fiantombohan’ny taona, avy eo ny valan’aretina COVID-19), dia niakatra be ny vokatra masomboly voamarina. Raha 1 398,47 taonina no vokatra tamin’ny 2019 dia tafakatra 2 544,94 taonina izany tamin’ny 2020, izany hoe niakatra 82%.